<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Aingao ny masontsika FFPM680</title>
<lyrics>[V1]
 Aingao ny masontsika
 Hitsinjo tany soa ;
 Fa ao ny Tompontsika
 Manomana tokoa
 Tanàna, trano tsara,
 Fianan-tsambatra e !
 Izany no anjara
 Ho an'ny mino re !

[V2]
 Ny andro fifaliana
 Ho avy ka antenao ;
 Ny andro nihafiana
 Ho foana sy handao ;
 Ny taona fihobiana
 Homen'ny Tomponao ;
 Ho feno fifaliana
 Izao rehetra izao.

[V3]
 Ny andro maharavo
 Tsy ho ela intsony izao ;
 Hiarina ny lavo
 Handray ny tena vao,
 Irio ny Tompo Avo
 Ho avy hanavao ;
 Ho faly izay mahazo
 Izao fiainan-tsoa izao.</lyrics>
<hymn_number>680</hymn_number>
</song>